Namana/Amis/Friends

samedi 12 novembre 2011

Ny hiran'ny lanitra tsara tokoa 701(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liste des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)Elvine Heede
1. Ny hiran'ny lanitra tsara tokoa sy mahafinaritra re!
Henoy izany feon'ny olona maro izay faly tokoa mihira hoe:

Fiv : (feo 1)
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
Haleloia. Amen!
(feo 2)
Ny dera aman-daza sy hery, anie,
Ho Anao, ry Zanak' ondry
Ny dera aman-daza sy hery, anie,
Ho Anao, Anao, Amen!

2. Toy ny feon'ny rano mahery ny hira ataon'ny tra-bonjy ary;
Manerana ny lanitra ny fiderany, fa vita ny adiny mafy taty.
Haleloia, Amen! sns...
Ny dera aman-daza, sns...

3. Tsy mety mangina ny hiran'ny lanitra, velona mandrakizay!
Endrey ny fihaonana any an-danitra sy ny fiainana mandrakizay.
Haleloia, Amen! sns...
Ny dera aman-daza, sns...

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...