Namana/Amis/Friends

mercredi 27 septembre 2023

Sombinaiko, Aza manadino (Odéam RAKOTO)

Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"


"Aza manadino ahy na dia efa dify aza

Ka tsy ho hita insony ilay sakaiza fahazaza

Tsy ho aiza akory f’hialoha lalana

 Hanamboatra paradisa sy lapa ho vantaninao"


"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

"Tsy hamela anao hanjeny irery

Raha mbola eto ety antany

Satria mantsy ny aveloko

Dia manaraka eny ihany"


Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"

"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

vendredi 11 décembre 2020

Ho an'Ilay nateraka an-tranom-bilona (Feo Miantso FLM Tsarahonenana)

Isaorana ny Feo Miantso FLM Tsarahonenana sy ny mpamorona ny hira VELOMASY V. Gaston, nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!
Tonony sy feony: VELOMASY V. Gaston
Arr: RANDRIAMANANTSOA Tefiniaina

Ny voary rehetra samy nakalaza

Nanerana ny vazan-tany efatra

Haleloia(4)

Ho an'Ilay nateraka an-tranom-bilona


Ny anjely rehetra samy nanao feo fiderana

Tsy manam-petra hankalazana an'Andriamanitra Ray

Izay mipetraka amin'ny seza fiandrianana

Haleloia(2), dera Haleloia


Omeo Azy ny dera

Omeo Azy ny laza

Omeo Azy ny haja

Sy voninahitra




lundi 9 novembre 2020

MANDONDONA (The Singers of Jesus) Accord





Prélude: D5/D   D/F#   Bm7/G
D5/B   D5/F#   G    A   B

       D5                                       D/F#           Bm7/G
Nandeha nizaha ny tsiron’ny tontolo nitady ny soa
  D5                                D/F#              E/Ab    Gm
Zay rehetra hita teny ho eny toa tsara avokoa
                        D/F#                       Am7    D7     G     
Tsy nandalàko hery, namoizako ny androko rehetra
    Em            D/F#        G                    E7/Ab    A 
Fa hay misy ihany ny fetra, nikarapoka aho

 

            D5                   D5/C#                              D5/B
Fa nandondona tao am-poko tao ny Tompo nitomany
             D5/F#                                Bm7/G
Reko ny antsony amiko hoe mitsangana
          D/F#                 Em                       A                   
Tonga aho hamonjy anao, tsy an-tery anie fa
             D5
mandondona
            D5/C#                     D5/B
Mba vohay re ny fo sao dia tara
      D5/F#                         Bm7/G
Voafetra anie ny ora atsy afara
          Bm                     C           Em                  A               G          Em        D
Tonga aho hamonjy anao, hanorina ny hoavinao mandondona

 

D5                                        D/Gb                Bm7/G
Saritsarim-piainana ihany , izao hita maso izao
      D5            D/Gb              E/Ab                        Gm
Ho rava sy ho foana atsy ho atsy, ka mivonona ianao
               D/F#                                Am7    D7    G     
Nandanianao hery, namoizanao ny andronao rehetra
       Em                      D/F    E7/Ab     A 
Voarakitra ao an-danitra ao, izay vitanao

   

                  D5              D5/C#                              D5/B
Fa nandondona ao am-ponao tao ny Tompo nitomany
            D5/F#                            Bm7/G
Renao ve ny antsony hoe mitsangana
           D/F#                 Em                       A                  D5
Tonga aho hamonjy anao, tsy an-tery anie fa mandondona
            D5/C#                     D5/B
Mba vohay re ny fo sao dia tara
      D5/F#                          Bm7/G
Voafetra anie ny ora atsy afara
          Bm                     C             Em              A     
Tonga aho hamonjy anao, hanorina ny hoavinao

  

       G2/C                      G/B
Fa izao aho dia hamoa anao
             G/Bb                      D/A
Omeko anao ny amiko anjakao
     E7/Ab     Gm       D/F#    Bb/F
Inty aho Tompo ô mifona aminao
         Em             D/F#                     G              Ab
Fa nanota aho ka raiso aho ovay ho olom-baovao

 

             Eb5      Eb5/D
Mandondona
             Eb5/C  Eb5/G
Mandondona
          Cm7/Ab   Eb/G
Mandondona
           Cm7/Ab       
Mandondona

                       Bb
O vohay ny fonao...

 

             Eb5     Eb5/D
Mandondona
             Eb5/C    Eb5/G
Mandondona
          Cm7/Ab   Eb/G
Mandondona
           Cm7/Ab      
Mandondona

                         Bb
Tsy an-tery anie fa...


 Eb       Eb/D
O o o o o o o
Eb/C    Eb/G
O o o o o o o
 Ab       Eb/G
O o o o o o o
A
O o o o o o o

 

            Bb         
Hanorina ny hoavinao…
     Eb5
fifaliana
     Eb/D                        Eb5/C
fiadanana ampoko tambitamby   
         Eb5/G                      Cm7/Ab
Haravoana fiainana manan’amby
          Eb/G                     F
No omeko anao dieny izao
                 Bb                         Ab   F    Eb
Honina ao anatinao ho aminao

mardi 21 juin 2016

Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA FJKM Atsimon'Imahamasina (Playlist)

Cliquez un titre pour écouter la version vidéo, la parole et la partition en solfa:

Hoderaina
Injao manako any ho any
Hiaraka Aminy
O! Ry Fireneko
Na inona anefa mihatra

Hoderaina (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!

Tonony sy Feony: RAKOTOARIMALALA Maminirina RajaonaRIVOny
Tompo mahery Ray Tsitoha, misaotra Anao
Fa lehibe ny fitiavanao
Ka dera saotra no atolotray izao
Dera ho Anao, dera ho Anao ry Ray

Tompo mahery Ray Tsitoha, misaotra Anao
Fa lehibe ny fitiavanao
Ka dera saotra no atolotray izao
Dera ho Anao, dera ho Anao ry Ray

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany

Mendrika ny hoderaina Ianao
Ry Tompo sy Mpanjakanay
Anao ny voninahitra mandrakizay
Mandrakizay, Haleloia Amen!

Mendrika ny hoderaina Ianao
Ry Tompo sy Mpanjakanay
Anao ny voninahitra mandrakizay
Mandrakizay, Haleloia Amen!

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany

Sambatr'ireo 'zay mino Anao
Sambatr'ireo izay mahatoky Anao
Koa mifalia ry olona o,
Fa lehibe, fa lehibe ny fitiavany
Ny fitiavany (2)

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...