Namana/Amis/Friends

mercredi 27 septembre 2023

Sombinaiko, Aza manadino (Odéam RAKOTO)

Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"


"Aza manadino ahy na dia efa dify aza

Ka tsy ho hita insony ilay sakaiza fahazaza

Tsy ho aiza akory f’hialoha lalana

 Hanamboatra paradisa sy lapa ho vantaninao"


"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

"Tsy hamela anao hanjeny irery

Raha mbola eto ety antany

Satria mantsy ny aveloko

Dia manaraka eny ihany"


Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"

"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...