Namana/Amis/Friends

mercredi 3 octobre 2012

FF 53 - Havaoziko ilay voady

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Tsy ho toy izao, Jesoa Ity mpanomponao
 Raha toa tsy tao tokoa ny fahasoavanao
 ‘Zay nanohana ‘lay hery kely tao am-poko
 Nahazoako mba nanao ny asam-panompoako!

 Fiv : Indro fa havaoziko ry Jesoa
 ‘Lay voady miorina ao am-po
 Ny andro ivelomako
 ‘Zay omenao iainako
 Dia atokako sy mbola hitoriako ilay fitiavanao!

 2. Ny asa izay natao,Jesoa,
 Dia tsapako ao am-po
 Fa tsy dia toy inona sy bitika tokoa
 Nefa na izany aza dia inoako koa
 Fa ‘zay kely vitako hitera-boka-tsoa.

 Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...

 3. Na ho lava na ho fohy ny androko ety
 ‘Zaho dia irakao, ry Jesoa Tompo be fitia!
 Ka ilay fitiavanao miorim-paka anaty
 No hanafy herim-pitokiana mandra-maty!

 Indro fa havaoziko ry Jesoa sns...

2 commentaires:

  1. bonjour ! afaka mba mahazo ny mp3 an'io hira io ve fa tena tiako be nefa tsy mety mahazo mihitsy ? Mba alefaso mailaka azafady : rabenarivo1993@yahoo.fr na alefaso message privé @facebook Cédric Princy. MISAOTRA MIALOHA

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. miarahaba tompoko, efa misy mail lasa any momba ny fangatahanao.
      Misaotra tompoko.

      Supprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...