Namana/Amis/Friends

mardi 7 juillet 2015

FF 39 - Faniriako

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Ray o! mba faniriako,
 Raha toa ka sitrakao
 Ny handova lanitra
Dieny ety an-tany
 Kanefa tsy izaho irery
 F’ireo izay mino Anao
 Hiaraka amiko
 Hatrany hatrany.

 Fiv : Endrey ny fiainanay anilan-dRay
 Ny Tompo iray, Fanahy iray
 Iraisana avokoa ‘reo asa soa
 Iray ny fo, iray ny loha
 Ray o! nahoana moa e!
 Raha atomboka anio?

 2. Ray ô! mba faniriako
 Raha toa ka sitrakao
 Ny ho zanaka manoa
 Feno fahendrena
 Hilofo hatrany koa
 Hamita ireo asanao
 Ka tsy hirehareha
 Fa hanetry tena.

 Endrey ny fiainanay anilan-dRay sns...

9 commentaires:

  1. Te hanampy aho hoe....

    Fa faniriako koa


    Ray o! mba faniriako,
    Raha toa ka sitrakao
    Ny nosiko anie
    Mba tena hanjakanao
    Ka hiadana sy ho faly koa
    Tsy hisy hamasoka
    Tsy hisy handrombaka
    Fa an-tananao
    Endrey Ity taninay, ho tafaray
    Ny Tompo iray, Fanahy iray
    Ho lasana avokoa, ny lolom-po
    sy tompo roa fa ho mpankato
    Ray o! nahoana moa e!
    Raha atomboka anio?
    Ray o! mba faniriako,
    Raha toa ka sitrakao
    Ity namako ity
    Hihaona aminao
    Ho resy lahatra tokoa
    Ka tsy hanamafy fo
    Tsy hangataka andro koa
    Fa hanolo-tena
    Endrey, ny namanay
    Hanaiky ilay Izy hatrizay, Mandrakizay
    ho sitrana avokoa; ny ratra am-po
    sy ny ahiahy mamaky loha
    Ray o! nahoana moa e!
    Raha atomboka anio?

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Mankasitraka indrindra Frédéric Herinirina, Ho tanteraka amin'ny firenentsika sy ny mpiray tanindrazana anie ny tonom-bavakao. Raha manaiky ianao dia hanokanako pejy iray amin'ny blaogy io tonon-kiram-panahinao io. Misaotra tompoko.

      Supprimer
    2. Misaotra tompoko

      Supprimer
  2. tsara be ilay tononkiranao nohirahirainay tato an-trano fa mankasitraka eeee

    RépondreSupprimer
  3. oooh, ianareo no tena ankasitrahana tompoko nankafy zay natolotra, ary ataontsika tononkiram-panahy iombonam-bavaka tokoa ny hira fitoriana toy itony!

    RépondreSupprimer
  4. Misaotra an'Andriamanitra nampita tamin'ny mpanompony ny hafatra ankira

    RépondreSupprimer
  5. Tena tsara ireo tononkira ireo. Misaotra betsaka.

    RépondreSupprimer
  6. Tonokira farany izay tiako

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...