Namana/Amis/Friends

mardi 7 juillet 2015

FF 38 - Mba todihonao ny lasa

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (31-40).

1. Mba todihonao ny lasa
 Dia ho hitanao ny asa
 Nandaniana ny fotoana
 Fa dia vita mora foana

 Fiv : Mitsangàna, sahia ! (sahia !)
 Mijoroa, mitoria (mitoria !)
 Aza kivy, sanatria
 Fa aminao Kristy.

 2. Eny, tsara ho tsaroana
 'Reo adidy nokoloina
 Maro koa no tsy tontosa
 Nampitsoaka ny kanosa
 Mitsangàna, sahia ! sns...

 3. Aoka hiezaka hatrany
 Mba hanarina izany
 Fa hipetraka ho tantara
 Ho an'ny zanak'amam-para

 Mitsangàna, sahia ! sns...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...