Namana/Amis/Friends

dimanche 2 octobre 2011

Omeko anao (Alain sy Malala)

Ialana tsiny, tompoko, nohon'ny faharatsian'ny horonam-peo ary maniry izahay mba tsy hanimba ny fankafizanao ny hakanton'ny hira izany.
Mille excuses pour la qualité du son, veuillez tout de même apprécier la beauté de la chanson.

Omeko anao tsisy fetra ny fitiavako rehetra
Satria ianao no nahay nanitona ny foko
Raiso re raha sitrakao fa tsy anenenanao
Omeko anao ny fiainako tontolo

Omeko anao avokoa izay mety ho faniriana'ny fo
Ny masonao, ny tsikinao mambabo ahy tokoa
Omeko anao ny fitiavana sy izay rehetra irianao
Raiso fa ho anao irery izany

Izay sitrakao dia manjary tiako koa
Satria ianao no andry iankinan'ny foko
Izay maminao manjary mamiko avokoa
Omeko anao ny fiainako

Omeko anao ny tanako hitantana ny dianao
Hioty voninkazo sy hanafosafo indray
Ka omeko anao ny heriko sy izay vitako rehetra
Raiso fa ho anao tsy misy fetra


Izay sitrakao dia manjary tiako koa
Satria ianao no andry iankinan'ny foko
Izay maminao manjary mamiko avokoa
Omeko anao ny fiainako


Izay maminao manjary mamiko avokoa
Omeko anao ny fiainako

4 commentaires:

  1. Tiako loatra io hira io ... eo amin'ilay hoe : "ka omeko anao ny heriko sy izay vitako rehetra" no tonony eo tompoko ... fa misy diso kely fotsiny ... misaotra

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...