Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Tsiaro anao (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Ity hira ity raha vao hiraiko
Dia ianao no tadidiko
Dia ianao no ato an-tsaiko
Tsaroako hatrany ireo teny mamy
Vao nataontsika omaly
Ato am-bavako androany

Toa hafahafa izany fitiavako
Raha tsy eo ve ny hira dia ho adinoko io olona io?
Tsy izany velively
Fa isan’andro aho dia mahita azy eo akaiky eo

Ity hira ity raha vao hiraiko
Dia ianao no tsaroako
Dia ianao no ato an-dohako
Tsaroako hatrany ireo tambitamby
Vao nataonao ahy omaly
Ato anatiko androany

Toa hafahafa izany fitiavako
Raha tsy eo ve ny hira dia ho adinoko io olona io?

Tsy hira ihany, no mitondra ahy ho any
Fa izay rehetra ataoko dia mankany...
Izy no tiako,hany ifaliako
Izy no hiraiko, izy ihany...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...