Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Cantique Catholique. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Cantique Catholique. Afficher tous les articles

mercredi 8 février 2012

Akohokely latsaka an-kady(Fihirana Katolika)




Akohokely latsaka an-kady aho, ô ry Tompo,
Hiantso, kely feo: hanidina, tapaka elatra
Tolory tanana aho ka vonjeo
Sao matin’ny vesa-pahotako
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo amiko (2)


Tantely saraky ny ala aho, ry Kristy,
Eny an-tany ngazana nilaozam-boninkazo
Tolory tanana aho, ka vonjeo
Sao matin’ny ngidim-pahotako.
Kristy ô, Kristy ô, mamindrà fo amiko (2)


Tsiriry diso farihy aho, ry tompo,
Ety an-tany efitra, ny andro migaina
Tolory tanana aho, ka vonjeo
Sao matin’ny valim-pahotako
Tompo ô, Tompo ô, mamindrà fo amiko (2)

jeudi 19 janvier 2012

Nanjohy iny lalana iny (Amboara katolika)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Amboara Katolika

1. Nanjohy iny lalana iny izahay noho ny anaranao, Jesoa Kristy.
 Nitety ny tendrombohitra sy lohasaha, hitory ny anaranao, Jesoa Kristy.
Misy fiangonananao any ho any, zara raha hoe mijoro, Jesoa Kristy.
Efa an-taona maro izy zao, mangetaheta Anao, Jesoa Kristy.

 Jesoa Kristy...'Zay moa no anaranao, anaram-pamonjena
 Lova navelanao hanerana ny tany Ivelomanay, Jesoa Kristy
O  Jesoa Kristy... Mangetaheta anao, 'zao taninay izao.
Ny voa nafafinao manerana ny tany Aza avela ho sina, Jesoa Kristy
Jesoa Kristy

 2. Nahita ny tanimbary izahay, triatra fa karakaina, Jesoa Kristy.
 Dia nifanotany hoe : mandra-pahoviana vao hiakatra ny mpijinja, Jesoa Kristy ?
Moa va tsy toy izany ireo zandrinao miandry famonjena, Jesoa Kristy ?
Ao am-piangonana ao izy izao miantso ny anaranao, Jesoa Kristy ?

Jesoa ny herin'ny Teninao anie hanova ny fiainana (ranombavaka)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Amboara Katolika
Jesoa(2) ny herin'ny Teninao anie hanova ny fiainana (2)

Inty no ora sarobidy (Amboara Katolika)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Amboara Katolika
Inty ny ora sarobidy itsanganako
Andraisako ny tenanao ry Jesoa mamiko
Tsy dia mendrika aho ny ho tsidihinao
Kanefa sitrakao avia re
Oh oh sambatra aho re

Nandray ny tenanao ny foko ry Mpamonjikoa
Ka henin-kafaliana ny fanahiko
Mitsaoka anao re, misaotra anao re
Tsy hitako izay havaliko
Oh oh sambatra aho re

Mba tsofy rano aho sy ny havako rehetra
Sy izay mpanao soa anay sy sy sakaizako
Ho tia anao re, tsy mba handao anao
Ka samy mba ho tonga an-danitra any
Oh oh sambatra aho re.

Ho vatolampiko ny anaranao (Amboara Katolika)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Amboara Katolika


Ho vatolampiko (2x) ny anaranao ry Iaveh, vatolampiko

Tompo ô henoinao ny seton-mbavako
Miandry famonjena, vonjeo fa osa re

Tompo ô ampio aho, omeo ny herinao
Ka ireo fahavalo hilavo lefona

Raha lavitra anao ity mpanomponao
Dia tena very dia raha tsy eo anilanao

Fo madio no iriko (Amboara Katolika)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Amboara Katolika



1. Fo madio no iriko, Andriamanitra ô,
Hanarahako ny lalanao :
Tanteraho amin'ny mpanomponao
'Zay sitrakao.

Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Vao maraina no maniry anao ê ;
Andriamanitra ô, Andrimanitra ô,
Ny fanahiko manina anao ê ;
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Matimaty aminao e ny nofoko,
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô.

2. Ifonako aminao avokoa
Ireny ota nitiavako ny tenako :
Aza afenina ahy, Tompo, ny endrikao,
Tompo be fitia.

3. Ampanirio ao am-poko ny fitiavana
Hanamasina ny androko rehetra ;
Ka hiova ho voninahitrao
Ny asako rehetra.

Ahiratray ny masonay (Amboara Katolika)


Ahiratray e, ny masonay
Hifantoka aminao,
Asandratray e ny masonay e
Mitady anao Andriamanitra ô
Velarinay e ny tananay
Miandry vonjy
Avy aminao Andriamanitra ô

1. Fa izao tany izao, rako-java-mahasondriana ;
Raikitra eo ny masonay, manadinodino anao.

2. Tsy ho satrinay ve ny hifanatrika aminao :
Nefa he, ny fijerinay feno tebiteby lava.

3.. Ampianaro izahay mba hahita anao Mpahary
amin-java-nohariana taratry ny endrikao.a

Hira Katolika(Amboara Katolika)

lundi 12 décembre 2011

Injany fa miantso ahy(Fihirana katolika)




Fiv:
Injay fa miantso ahy, ny feon'ny Fitiavana
Manohina ny fiainako, ka tsy azoko andosirana
Mahery vaika mantsy ka tsy azoko ampanginina 
Ary tsy azoko andosirana
Ilay feon'ny Fitiavana naniraka ny zanany
Ho fiainana arahina
Raisiko ny anjarako, hizorako ny lalako Raisiko ny anjarako, hizorako ny lalako

1- Mba tsofy rano tsara re ry Dada sy ry Neny

'ty zanaka hiainga mba hanefa ireo adidy
Fa any ho any kosa hahatsiaro anareo aho,
Handefa tonom-bavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano aho
Hanambina ny diako 
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano aho
Hanambina ny diako

2- Mba tsofy rano tsara re ry zoky sy ry zandry

'ty havana hiainga mba hiatrika ny adidy
Any ho any kosa hahatsiaro anareo aho,
Handefa tonom-bavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
Fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano
Hanambina ny diako  
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e
fa lavitra ny lalana ka mila ny tso-drano aho
Hanambina ny diako
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...