1. Isaoranay eram-po sy eran-tsaina koa
Ry Tompo Zanaharinay Tsitoha
Ny nanoloranao ny tenanao ho anay
Ny ranao soa nitete no nanadio anay
Ref: Ny holatrao 'zay nangidy taminao Jesoa
zay kofehy nampamatotra anay Aminao
Ny fanavotanao anay no lovasoa ho anay
Ry Jesoa ô, misaotra Anao zahay
2. Nangorohoro mafy re ny fonao Jesoa tia
Nanjary toy ny ra ny tsembokao
Nasehonao ny indrafo zay tena lehibe
Kapoaka no nosotroinao tao Getsemane
3. Voasatro-tsilo tokoa ny lohanao Jesoa
Voakapoka sy nolatsaina koa
Ny endrikao voaratra naharary Anao
Lay fonao tia hany sisa novelominao
Solo alto: Ny holatra nangidy taminao ry Jesoa ô
kofehy nampamatotra anay Aminao
Ny fanavotanao anay no lovasoa ho anay Jesoa
Misaotra Anao zahay
Vous pouvez télécharger gratuitement la partition en solfa ci-dessous.