Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Sampana Tanora Koraïta Befelatanana. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Sampana Tanora Koraïta Befelatanana. Afficher tous les articles

jeudi 21 février 2013

Ho avy Jesoa

A/C: Ndriana Ramamonjy

Ho avy Jesoa (2) handray ny olony
Ho avy Jesoa ka moa ve anisany ianao

Ho avy Jesoa (2) handray ny olony
Ho avy Jesoa ka moa ve anisany ianao

Amin'izay andro izay
Tsy tranonomby intsony re
No toerana hamantanany
Fa amin'ny voninahitra

Amin'ny voninahitra hiverina indray Jesoa
Amim-boninahitra haka ireo voaavotra
Hitoera eo anilany ho mandrakizay doria
Haleloia

dimanche 4 décembre 2011

Miderà ny Tomponao (Antema24)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.
:,: Miderà ny Tomponao:,:
Ry Jehovah Tomponay, tafavory izahay; avy hankalaza Anao izahay vahoakao.
Faly, ravo izahay noho ny soa azonay; tonga mba hisaotra Anao voavotrao
Saotra tsara entinay, hira no asandratray mba ho fiderana Anao Rain'izao rehetra izao
(Famaranana :)
Derao, derao, dera no omena Anao

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Saotra, Dera (Antema18)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.
Saotra, dera, an'Ilay Mpanjaka Tompo Tsara, dia Andriamanitra. Izy mitahy ny taona ka finaritra re ny vahoaka, fa Izy miaro ny loza tsy hitranga matetika. Ny ranonorana tonga hanatsara ny zavatra maro; izay fitahiana rehetra dia ateriny avokoa. Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao eo anatrehan'ny vahoaka maro. Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao re, Izy no derao eo afovoan'ny fiangonana.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Voninahitra (Antema15)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.
Voninahitra amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon'ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.

:,: Derao, hobio ny Anaran'i Jehovah! Azy anie ny dera sy ny laza ety an-tany ka hatrany an-danitra! Dia hamasino izahay, ry Tompo ô, hitoeran'ny voninahitrao.:,:

Voninahitra amin'ny avo indrindra, ho an'Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon'ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Manopy ny masoko (Antema17)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.
Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho. Avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy avy amin'i Jehovah, izay namorona ny lanitra sy ny tany. Jehovah no Mpiaro anao. Ny Tompo no fialofanao eo amin'ny ankavananao. Ny masoandro tsy hamely anao amin'ny atoandro na ny volana nony alina. Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra. Hiaro ny fanahinao Izy na mivoaka na miditra, hatramin'izao ka mandrakizay; Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia! Amena.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Akory ny hamaroan'ny asanao (Antema13)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.
Akory ny hamaroan'ny asanao, ry Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra. Henika ny asanao izao tontolo izao. Ao ny ranomasina feno zava-manana aina, na kely na lehibe. Indro ny lanitra, feno famirapiratana mahagaga; ary ny tany rehetra samy feno zavatra avokoa, ka mampiseho ny voninahitrao, Andriamanitra ô!

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

He! ny aiko (Antema 12)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.
Hira Paska
He ny aiko
Tsy lalaiko
Hamonjeko ny fanahinao;
Famonjena
No nomena,
Kanefa tsipahinao.

Menatre aho,
Ry Mpamonjy!
Mamelà ny mpanomponao!
Fa ny tena
Sy fanahy
Omeko Anao izao.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Ô lanitra! Ô lanitra!(Antema11)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.

O, lanitra! O, tany masina!
Raha tapitra ny asanay,
dia ravo aminao.
Ny mandanao no hitanay,
sy vavahady soa;
ny lalam-bolamena koa no hodiavinay.
Fonena-mahasambatra,
tsy misy heloka.
Ny làlana mahazo ao no mba hizorako.
O, lanitra! O, tany masina!
Nahoana ny ho faty re no hatahorako?
Ny lanitra honenako mandrakizay doria.
O, lanitra! fonena-masina!
O, lanitra! ny dianay havitrika ho tonga aminao.
O, lanitra! ho tonga aminao.
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Tamin'ny andro voalohany (Antema7)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.

:,: Tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro,
dia nankany amin'ny fasana izy,
nitondra zava-manitra izay efa namboariny.:,:

:,: Ary hitany fa indro ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.
Dia niditra izy, nefa tsy hitany ny fatin'i Jesosy Tompo.
Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy ireo,
indreo nisy roalahy niseho taminy, nitafy fitafianà manelatrelatra.:,:

:,: Ary nony natahotra izy ka niankohoka,
dia hoy izy roalahy taminy.
Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
Tsy ato Izy fa efa nitsangana;
tsarovy ny teny izay nataony taminareo,
fony lzy mbola tany Galilia hoe: :,:

Ny Zanakolona tsy maintsy hatolotra
eo an-tànan'ny mpanota ki hohomboana
amin'ny hazo fijaliana, ary, ary, hitsangana,
hitsangana amin'ny andro fahatelo.:,:

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Miderà an'i Jehovah (Antema6)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.

Miderà, miderà, miderà an'i Jehovah.
Miderà an'i Jehovah, ry firenena rehetra.

:,: Miderà, miderà, miderà Azy, ry olona, ry olona rehetra.
Miderà Azy, ry olona rehetra.
Miderà Azy, ry olona rehetra.
Fa lehibe ny famindrampony amintsika,

Fa lehibe ny famindrampony amintsika.
Ary mandrakizay, ary mandrakizay, ary mandrakizay
ny fahamarinan'i Jehovah.
Haleloia, Haleloia, Haleloia, Haleloia, Haleloia!:,:

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Ary maro amin'izay matory (Antema4)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.

:,: Ary maro, ary maro, ary maro
amin'izay matory ao, matory ao, matory ao, matory ao,
amin'ny vovoky ny tany no hifoha, no hifoha, no hifoha.:,:

:,: Ary izay hendry dia hamirapiratra,
ary izay hendry dia hamirapiratra,
ary izay hendry dia hamirapiratra,
toy ny famirapiratry ny lanitra.:,:

:,: Ary izay mamerina ny maro,
ary izay mamerina ny maro,
ho amin'ny fahamrinana,
dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.:,:

Amena.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Ny Tompo hajao (Antema 3)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Antema.

Ny Tompo hajao
noho ny fahamarinany
sy ny fahamasinany.
Matahora Azy re,
ry vahoaka marobe!
Ny voninahiny mahagaga.
He ny heriny sy ny hatsaràny

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Antema Fihirana FFPM (Sampana Tanora Koraita Befelatanana)

Voir la parole de:
 Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...