Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Ny sakelidalana. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Ny sakelidalana. Afficher tous les articles

mardi 27 mars 2012

Tao anaty aizim-pito (Ny sakelidalana)

Ho fahatsiarovana ireo mpitolona maritioran'i Madagasikara 1947.

Fa tao anaty aizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nikiaka, nikiaka fahafahana
Injao nanakoako
Ren’ny tany manako eran-danitra ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy, tsy kivy tsy kivy tsy niato
Ireo Malagasy mitolona

Fa tao anaty aizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nikiaka, nikiaka fahafahana
Injao nanakoako
Ren’ny tany manako eran-danitra ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy, tsy kivy tsy kivy tsy miato
Ireo Malagasy mitolona

Fa tao anaty aizim-pito
Nisy rà nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy no zahany
Madio mangatsakatsaka
Nefa rà mikoriana namonto itony tany
No setrin’izany
Fa tanam-polo ihany no hany fiadiana
Ny hahatomombana izay notakiany

Fa iry, ery an-danitra ilay masoandro
Efa lasa tara-pahafahana ireo lavo
Efa samy ravo ny fanahin’ireo maritiora mifaly
Ny todin’ny rà niombonana mantsy
Tsy azo takonana intsony


Fa iry, ery an-danitra ilay masoandro
Efa lasa tara-pahafahana ireo lavo
Efa samy ravo ny fanahin’ireo maritiora mifaly
Ny todin’ny rà niombonana mantsy
Tsy azo takonana intsony
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...