Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Alina Paris(Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.

 Maizina sady mangatsiaka
ny amin' ny enina ririnina
Ora firavan' ny mpiasa.
Mihaohao ery ny mpandeha,
tototra fiara ny arabe.
Alina ririnina mitabataba.
Jiro an'alin-kisa maro,
fotsy,mena,ny hafa koa
An-dàlana, an-trano,
hatreny amoron-drano
'Zay rehetra mba haleha,
na magazay na kafe
Toa foara avokoa etsy sy eroa...

Alina Paris ! Alina Paris ! Mihira ny fitia !
Fitia tsy mety maty, miaina ao anaty
Fitiavana 'lay tany niaviana,
Tanindrazana malala tena tiana...
Embonembona sy vetsovetsom-po
'Ndray mitraotra ho azy avokoa
Anivony mamiratra ny taniko, no laniko
Tsy manam-paharoa, hafa mbola hafa,
Mamy tena mbola mamy...
Alina Paris ! Alina Paris ! mihira ny fitia !

Na alina sady mangatsiaka,
ny toerana malaza dia sariaka...
Toa fety lava miravaka hazavana,
Saint-Germain na Champs Elysées, Pigalle
Sy ny hafa be dia be,
mifanjevo samy revo mikorana
Matetika an-dalan' eny hitanao,
mpihira na mpandihy milalao,
Arahin' ny gitara na koa ny agorodao,
'Reo mpifakantia moa,
mahazatra anao tokoa
Fa mifanorokoroka etsy sy eroa

Alina Paris ! Alina Paris ! Mihira ny fitia !
Fitia tsy mety maty, miaina ao anaty
Fitiavana 'lay tany niaviana,
Tanindrazana malala tena tiana...
Embonembona sy vetsovetsom-po
'Ndray mitraotra ho azy avokoa
Anivony mamiratra ny taniko, no laniko
Tsy manam-paharoa, hafa mbola hafa,
Mamy tena mbola mamy...
Alina Paris ! Alina Paris ! mihira ny fitia !

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...