Namana/Amis/Friends

mardi 8 novembre 2011

Amorom-patana (Ny Rahona, Raklio)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny rahona, Raklio,

Mitakoko amorom-patana eo ianao
Mikalo manaraka feom-baliha
Miezaka mafy hatrany hatrany ianao
Hameno ilay banga eo anilanao

Efa nandramanao avokoa
Ireo fomba izay azonao natao
Modianao adala aza indraindray
Raha misy mampatsiahy ireo lasanao

Dia narindrinao ny varavaranao
Fa tsy tantinao ny mihaino adrisa
Ou ou ou ou ...

Inianao ahiratra ny masonao
Mba tsy hatorianao ka hanofisanao indray
Tsy metyizy fa manarangarana
Mitazana ny any ivelany

 Dia narindrinao ny varavaranao
Fa tsy tantinao ny mihaino adrisa
Dia narindrinao ny varavaranao
Fa ny fonao kosa mbola miandry ihany
Ny fitiavano manantena hatrany

Lalalalalala.........

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...