Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Aza mba manadino 760(Hobio3)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Hobio3(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
J. Richardson
1. Aza mba manadino ny ray sy reninao;
Fa izy no nitaiza sy nanasoa anao;
Ka no aiza na aiza aleha an-tany lavitra,
Aza mba manadino ny ray sy reninao;
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny ray sy reninay.

2. Aza mba manadino ny tanindrazanao,
Tsarovy ny tanàna izay nahabe anao;
Fadio izay tsy mety fanaony fahizay,
Aza mba manadino
Ny tanindrazanao:
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny tanindrazanay.

3. Aza mba manadino ireo mpitondra anao,
Araho ny lalàna mba hiadananao:
Ka na aiza na aiza aleha an-tany lavitra,
Aza mba manadino
Ireo mpitondra anao:
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Izay mpitondra anay.

4. Aza mba manadino ny fivavahanao,
Ataovy isan'andro mba hamonjena anao;
Mpitondra, ray sy reny ny tany, tena koa,
Aza mba manadino ny fivavahanao:
Tsara izay! Tsara izay!
Eny, tsy ho hadinonay
Ny fivavahanay.
 
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...