Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Finaritra ny vorona ao an'ala 502(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le listes des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)

(Il se peut que certains vers ne soient pas chantés) Andriamampihatona
1. Finaritra ny vorona ao an'ala
Sy ao an-karam-bato avobe:
Na dia betsaka ny mpankahala
Mivonon-kahafaty azy re;
Matoky izy, tsy misalasala,
Fa manam-piarovanan-dehibe,

2. Jesosy Tompoko no harambato
Sy ala mafy ikirizako;
Na mafy aza sady tsy miato
Izay ataon'ny fahavaloko,
Mamely ahy ary misahato,
Jesosy irery no fiarovako.

3. Izay rehetra ta-hamely ahy,
Mikendry , nefa sasa-poana;
Izaho dia ravo am-panahy,
Tsy azony atao ahoana,
Fa misy manda manodidina ahy,
Izay miaro sy manohana.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...