Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Hajain'ny saiko 770(Hobio hiran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)


 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Andrianaivoravelona
1. Hajain'ny saiko,
Fototry ny aiko
Itsaohan'ny fanahiko,
Tokane iriko,
Malalatiako,
Hianao Jeso Mpamonjiko!

2. Mety malazo
Ny voninkazo,
Ny ahi-maitso koa re!
Fa misy lova
Tsy mba miova:
Jesosy Perla soa e!

3. Ao lalandava
Ny andro mazava,
Ny kintana, ny volana;
Jesosy irery
Tompon'ny hery
Tsy azo ihoarana.

4. He, igagàna
Ny hatanorana,
Fa na mahafinaritra,
Mety mihena
Ny herin-tena;
Jesosy no maharitra.

5. Tsy misy fetra
Zavatra rehetra
Hianao Jesosy,
Tokiko, akaiky ahy,
Zoky Mpiahy,
Ny tsara indrindra amiko.

6. Raha ho lasa,
Fa vita ny asa,
Tohano aho, Jeso ô!
Ampio aho,
Sy atanjaho,
Ho sambatra eo an-tratranao.

 Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...