Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Jesoa no sakaiza tena tia anay 511(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J.A. Houlder

1. Jeso no sakaiza tena tia anay,
Izy ta-hamonjy olombelona;
Aoka ho tiantsika ny Mpanavotra,
Fa Izy no Sakaiza mahateo tia.

2. Jeso no Sakaiza ifaliana,
Izy nahafoy ny voninahitra,
Mba hananantsika fanavotana
Sy handraisantsika ny fiainana.

3. Jeso no Sakaiza itokiana,
Izy mahavaly sy mahanatra;
Aoka hinoantsika ny Mpanavotra.
Hahazoantsika fiadanana.

4. Jeso no Sakaiza ivavahana,
Izy mahavonjy ny mpangataka;
Aoka hinoantsika ny Mpanavotra,
Mba handraisantsika fanampiana.

5. Jeso no Sakaiza fiarovana,
Izy maharesy ny mpanohitra;
Iza no hanimba izay arovany?
Aoka hisaorantsika ny Mpanavotra.

6. Jeso ô, Sakaiza! raisonao izao
Ny fisaoran-tsara izay atolotray:
Izahay mpanota te-hidera Anao,
Raiso re ny dera izay aterinay.

 Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...