Namana/Amis/Friends

lundi 7 novembre 2011

Manimanina an'i neny (Barijaona)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Barijaona.

Manimanina an'i Neny aho izany
'Lay reny tsy foiko, nilaozako any ho any
'Lay fola-damosina, niankin-drindrina irery
Kanefa dia nilaozako, nilaozako ombieny
Nankaiza kosa izany ankehitriny
Fa lavitra no misy azy iny
Manimanina an'i Neny aho ry lahy
Ka ory ny fanahy

Rahoviana re ry taona
Ambarao re ry tany
No avelanao hihaona
Fa manin'azy aho izany
Ny tambitambiny tadidy
Ny safosafony tsy amidy
Manimanina an'i Neny aho re roy
'Lay reniko tsy foy

Manimanina an'i Neny aho izany
'Lay reny tsy foiko, nilaozako any ho any
'Lay fola-damosina, niankin-drindrina irery
Kanefa dia nilaozako, nilaozako ombieny
Nankaiza kosa izany ankehitriny
Fa lavitra no misy azy iny
Manimanina an'i Neny aho ry lahy
Ka ory ny fanahy

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...