Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Maniry mafy aho 107(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)Elisabeth G. Clephane

1. Maniry mafy aho, ry Jeso Tompo ô,
Hialoka eo ambany hazo fijalianao.
Tsy misy toeran-kafa re 'zay tena mamiko;
Ny hazo fijalianao no fiarovako.

2. Ny hazo fijalianao no itazanako
Ny tenanao izay nijaly mba ho avotro;
Ka dia kotsan-dranomasom-pitiavana
Ny tavako, ry Tompo ô! Fa afa-keloka.

3. Am-pototry ny hazo izay nijalianao
No itoerako ho azavain'ny tavanao.
Ataoko fatiantoka ny zava-mora lo,
Ny hazo fijalianao no tombon-dahiko

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

3 commentaires:

  1. Tena tsara fa isika indraindray tsy mahatsapa any zany raha tsy amin'ny andro sarotra

    RépondreSupprimer
  2. Io no hira tena tiako indrindra ary iriko rehefa midiandro andro

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...