Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Ny Teninao Jehovah, izay hianaranay 786(Hobio hiran'ny ankizy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio hiran'ny ankizy(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J. Andrianaivoravelona
1. Ny teninao, Jehovah!
Izay ianaranay,
Dia tsara, tsy miova,
Ka ifalianay
He! Tena mananjara,
Izahay ankehitrio,
Fa lova tsara fara,
No azo amin'io.

2. Ireo zaza teo aloha
Dia tsy nahita izao
Tsy nisy hampifoha,
Natory foana tao;
Nahantra sady ory,
Niferina aina koa,
Tsy fantany akory
Izay tena foto-tsoa.

3. Mamiratra indrindra.
Ny masoandronay,
Milanto sy mirindra
Ny antom-piainanay;
Ny teninao ihany
No mahatonga izao,
He! Sambatra ny tany,
Fa mahalala Anao.

4. lrinay mba hihombo
Izay ianaranay,
Ampio koa mba hitombo
Ny saina anananay;
Ho avy zato heny
Ny voan'ny teninao,
Hiely eran-tany
Ny voninahitrao!

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...