Namana/Amis/Friends

samedi 12 novembre 2011

Taombaovao tambatra 746 488 462 731 24 746(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liiste des chants sur hobio2.


Mifalia, ry sakaiza!
Fa nahazo taom-baovao,
Zanahary no mitaiza,
Ka isaory sy hajao.

Na inona na inona hitranga, Jeso!
Na ny lanitra ho manga, Jeso!
Na ho maloka mangina, Jeso!
Dia ho feno fifaliana, Jeso!
Ny ho avy antenaiko, Jeso!
Mbola ho fifalian'ny saiko, Jeso!
Ny hasasarako hisava, Jeso!
Ny harivako hazava, Jeso!
Eo an-tananao, ry Raiko!
No apetrako izao
Ny fiainako rehetra,
Mba tahio ny zanakao;
Marobe ny fahavalo
Ta-hamely ahy e;
Ry Jehovah, Ray Mpiaro!
Mba arovinao anie.

Enga anie ka homba anao Jeso!
Hanadio sy hanazava,
Hampahery lalandava
Enga anie ka homba anao Jeso!
Raha mitolona ady sarotra,
Matokia fa tsy ho irery,
Homba anao Jeso mahery,
Homba anao tsy miady varotra

Ny lanitra ao ambony ao,
:,: Andriamanitra ô! :,:
Izay rehetra vitanao
Dia mahagaga anay. (in-3)Izay rehetra vitanao
:,: Aty sy any koa :,:
Miara-mankalaza Anao,
Fa Tompony tokoa. (in-3)
Mihirà sy mihobia,
Jeso Tompo no derao,
Miravoa, mifalia,
Velona aina hianao,

Fiv : Mifalia, ry sakaiza!
Fa nahazo taom-baovao,
Zanahary no mitaiza,
Ka isaory sy hajao.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...