Nandany fahazazana teny aho ;
Nandany hatanorana teny aho;
Nankamamy ity fiainana aho,
Nifaly sy nilalao;
Ny anaranao ry Raiko, no tsy mba fiantsoko;
Anio aho te-hanandrana ny hiaraka Aminao.
Vizana aho miandrandra vintana
Vizana aho mitady izany harena
Vizana aho miandrandra famonjena
Fa zava-poana ihany, ny herim-poko lany;
Tsy azo izay niriana, izaho nanantena fifaliana.
Hianao no faniriako,"inty aho"
Hianao no fifaliako, "inty aho"
Hianao no fanovozana ny soa
Fitiavana ô, tsy manam-paharoa;
Sambatra izay mahita Ilay Fitia tsy mety ritra;
Arovinao ny dia ho ao Aminao mandrakizay(2)
Tsara Jehovah,no sady mpanao ny tsara , Aleloia
RépondreSupprimer