Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Fiadanana feno (Fihirana Advantista 657)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 Haldor Sillenas/Rajoelison
 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Fiadanana  feno no omen'i Jesoa zao
Loharano zay tsy mba ho ritra
Fa voavela avokoa, voasasa tokoa
Ny ota maro zay efa natao

Fiadanana tsy ho lany
Raisiko amin'y rany
Tsy tratry ny saina
Tsy hay tantaraina
Na ety na rahatrizay

2. Fiadanana feno no omen'i Jesoa zao
Na dia be ny mahory mahazo
Fiarovana mafy na mamely ny rafy
Ka mivonona mba hanindao

3. Fiadanana feno no omen'i Jesoa zao
Ao an-dala-mahana sy ety
Toy ny andro maraina
Zay mamelona aina
Sy manolotra hery vaovao

4. Fiadanana feno no omen'i Jesoa zao
Ho aao koa ry olo-mahantra
Kristy re no fidio
O, ekeo Izy anio
Dia ho sambatra koa ianao
Fiadanana sy ho lany
Raisina amin'ny rany
Antsika rehetra
Fa tsy misy fetra
Dieny ety sy rahatrizay

5 commentaires:

  1. tena kanto io hira io an! amen dia mba samy ho tanteraka eo @ fiainantsika tsirairay avy anie izany

    RépondreSupprimer
  2. tena kanto io hira io an! enga anie ka samy ho tanteraka eo @ fiainantsika tsirairay avy izany! amen

    RépondreSupprimer
  3. tsara sady manome hery

    RépondreSupprimer
  4. Misy hery sy fanantenana vaovao atolotr'i Jesosy isan'andro. Angataho raha vao mifoha izay anjara nomaniny ho anao fa tsy mety ritra ny fahasoavany.

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...