Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Jiro mazava(Fihirana Advantista 186)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1.Jiro mazava eny an-dalan-tery
Ny Teninao ry Ray an-danitra
Mitarika ny dian'ny olombery
Ho ao an-tany mahafinaritra

Ref:
Sitrako indrindra ny hamaky 'zany
Hanaraka ny toro-heviny
Hampiely koa ny fahazavany
Sy hanambara izao ny heriny

2. Fandrika maro no mivelatra eny
An-dalana izay diaviko
Nefa matoky f'indro re ny Teny
Dia mitsilo ny finoako

3. Raha mamely re ny fahoriana
Ka kivy sady ketraka ny fo
Ny Teninao mitory fifaliana
Mitondra fiononana tokoa

4. Mandroso isan'andro izao ny diako
Manitsy ilay Kanana ambony ao
Ny fahazavana hany itokiako
Tompo malala dia ny Teninao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...