Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Tsy ho ela dia hisava avokoa(Fihirana Advantista 156)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Tsy ho ela dia hisava avokoa
Ny fahoriana ety
Vetivety dia hiposaka tokoa
Lay Masoandro dia Kristy
Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po
Ato am-poko ny hazavana tsy voafetra tokoa
Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria

2. Tsy ho ela dia ho afaka avokoa
Ny mavesatra ety
Fa hiseho ho eo an-danitra tokoa
Lay Mpisolo dia Kristy
Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po
Ao am-po ny fitsaharan-tsy voafetra tokoa

Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria


3. Tsy ho ela dia ho resy avokoa
Ny ota mamely ety
Ka ny gadra dia ho tapaka tokoa
Raha avy indray Kristy
Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po

Ao am-po ny fitsaharan-tsy voafetra tokoa

Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria



4. Tsy ho ela dia ho tony avokoa
Ny rivotra mafy ety
Ka reo onja dia hitsahatra tokoa
Hotenenin'i Kristy

Nefa hatrizao sahady dia mitoetra am-po

Ao am-po ny fiadanan-tsy voafetra tokoa

Indro ao Jesosy tia, zay Mpamonjiko Mesia
Ahy Izy, zaho Azy ho doria



Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...