Namana/Amis/Friends

mardi 27 mars 2012

Tao anaty aizim-pito (Ny sakelidalana)

Ho fahatsiarovana ireo mpitolona maritioran'i Madagasikara 1947.

Fa tao anaty aizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nikiaka, nikiaka fahafahana
Injao nanakoako
Ren’ny tany manako eran-danitra ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy, tsy kivy tsy kivy tsy niato
Ireo Malagasy mitolona

Fa tao anaty aizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nikiaka, nikiaka fahafahana
Injao nanakoako
Ren’ny tany manako eran-danitra ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy, tsy kivy tsy kivy tsy miato
Ireo Malagasy mitolona

Fa tao anaty aizim-pito
Nisy rà nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy no zahany
Madio mangatsakatsaka
Nefa rà mikoriana namonto itony tany
No setrin’izany
Fa tanam-polo ihany no hany fiadiana
Ny hahatomombana izay notakiany

Fa iry, ery an-danitra ilay masoandro
Efa lasa tara-pahafahana ireo lavo
Efa samy ravo ny fanahin’ireo maritiora mifaly
Ny todin’ny rà niombonana mantsy
Tsy azo takonana intsony


Fa iry, ery an-danitra ilay masoandro
Efa lasa tara-pahafahana ireo lavo
Efa samy ravo ny fanahin’ireo maritiora mifaly
Ny todin’ny rà niombonana mantsy
Tsy azo takonana intsony

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...