Namana/Amis/Friends

dimanche 25 mars 2012

Tolory tanana (Mimi Rafrah)


Mandondom-baravarana
Mahatsiaro mila anareo havana
Fa mila fanampiana
Ny hery tsy mba manana

Midododo mandeha nitady
Mahatsiaro ho hazo boboka amoron'ny hady
Ka mila fanampiana
Mba ho entina hiady

Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Aba ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eny ambavahady


Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Aba ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eny ambavahady


Fa kotsakotsan'ny orana
Nefa izahay tsy mba manan-kialofana
Ka mila fanampiana
Fa ny tena efa torovana


Midododo mandeha nitady
nahatsiaro ho hazo boboka amoron'ny hady
Ka mila fanampiana
Mba ho entina hiady

Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Aba ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eny ambavahady


Tolory tanana fa aza avela
Aza avela handadilady
Aba ampidiro an-tanàna aho ho aho
F'aza avela eny ambavahady


Mandondom-baravarana
Mahatsiaro mila anareo havana
Fa mila fanampiana
Ny hery tsy mba manana

4 commentaires:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...