Namana/Amis/Friends

dimanche 25 mars 2012

Mandehana (Jovial)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jovial.

1. Nihevitra aho fa ahy ianao
Kanefa ianao lasa nandao
Tsy nisy izay azoko natao
Ka nionona aho nanadino anao
Voadona avy any vao niverina aty
Tsy fanariam-pako aho
Azafady akia

Fa raha misy olon-kafa any
Mety hahasitrana ny fonao tomany
Dia mandehana ianao mankany
Fa izaho hitso-drano anao hatrany
Mazotoa sy mahereza ianao
Mba hanangananao ilay fiainam-baovao
Tsarovy sy tadidio tsara
Fa ny antsika anie efa lasan-ko tantara

2. Koa mandehana izato izy
Lehibe ianao fa tsy ankizy
Aza tomany, atrakao ny loha
Atanjaho ny saina, toneo ny fo
Tsy raofiko intsony
F'efa rano raraka
Fa tsy anjarantsika ny hiaraka


Fa raha misy olon-kafa any
Mety hahasitrana ny fonao tomany
Dia mandehana ianao mankany
Fa izaho hitso-drano anao hatrany
Mazotoa sy mahereza ianao
Mba hanangananao ilay fiainam-baovao
Tsarovy sy tadidio tsara
Fa ny antsika anie efa lasan-ko tantara

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...