Namana/Amis/Friends

jeudi 22 décembre 2011

Noël! Noël! (Bessa)



Noël, Noël ! isan-taona dia injao !
Noël, Noël ! tsianjery no atao
Noël, Noël ! tonta ve sa vaovao ?

Noël, Noël ! efa mila tsy ho re !
Noël, Noël ! ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël ! fiadanana anie !

Minia mikimpy avokoa izao tontolo izao
Ka ny Noely zary andron'ny manan-katao
Hodian-tsy hita ve ireo mahantra marobe
Izany no Noely ve ?

Mamonjy tavan'andro ireo mpihatsara ivelantsihy
Ka mody avela kely aloha ny zera baomba ary
Fa rahampitso dia tohizana indray
Ny fomba ratsy hatrizay


Noël, Noël ! isan-taona dia injao !
Noël, Noël ! tsianjery no atao
Noël, Noël ! tonta ve sa vaovao ?

Noël, Noël ! efa mila tsy ho re !
Noël, Noël ! ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël ! fiadanana anie !

Fa miofy akondro vava*  kosa ireo kamboty Ray
Fadiranovana hatrany, tsy misy mpandray
Ny maso foana no apitrapitrany eo
Toa miantsoantso hoe : "Vonjeo !"

'Lay Famonjena nodradraina hatry ny elabe
Moa azonay mba antenaina, rahoviana re?
Sa ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay
Fa tsy mba ondriny izahay

Noël, Noël ! ankehitriny fantatrao
Noël, Noël ! izay tokony hatao
Noël, Noël ! ho an''ny rahalahinao
Noël, Noël ! mba meteza ianao handre !
Noël, Noël ! ilay teny tsotra hoe :
Noël, Noël ! "Fiadanana anie !"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël! Noël!"Fiadanana anie!"
Noël! Noël!...

*miofy akondro vava=fadiranovana, mahantra indrindra

2 commentaires:

  1. Bonjour!
    Auriez-vous l'audio pour ce morceau s'il-vous-plaît ?
    Merci beaucoup
    mon email: r_dizy@yahoo.fr

    RépondreSupprimer
  2. Tena Misaotra an'Andriamanitra Lehibe amin'ny hira tsara fiderana toy itony, misaotra ny nampiditra, misaotra ny namorona sady mpihira , enga anie ka tsy hisy hi-pirater na hangalatra ny hira toy izao , araka ny lamaody ankehitriny, ireo izay tsy mahavita mamorona dia mangalatra ny hira tsaran'ny hafa no ataony! Misaotra tompoko

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...