Namana/Amis/Friends

lundi 12 décembre 2011

Noely, fahiny indray andro izay(Naly Rakotofiringa zanany)



Fahiny...indray andro izay
Nisy feon'anjely marobe
NIhira hoe, nilaza hoe:
"Tonga ny Mesia, mifalia"

Oooo.....

Tsy tany an-dapasoa
Na toera-manan-daza koa
No nahaterahan'ilay
Tompo be fitia
Fa tao an-tranon'omby
No teraka i Kristy

Noely, noely
Mihoby anao ny anjely
Ny ety an-tany mankalaza anao
Ry noely
Noely, noely
Mihoby anao ny anjely
Anio no andro fanavotana
...Noely...

Tonga ny Krismasy
Ry Malagasy
Zao tontolo izao
Miara-paly aminao(3)

10 commentaires:

  1. Ny zanak'i Naly Rakotofiringa no mihira io fahiny indray andro izay io, tsy mbola misy hira noely atakaloko an'io, raha vao tsy maheno an'io aho dia ohatra ny hoe tsy nisy noely izany

    RépondreSupprimer
  2. dia tena mitovy mihintsy isika, t@ ity aho tsy naheno io t@ radio dia ohatran'ny hoe tsy nisy noely izany, merci é

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. De rien fa faly koa izahay rehefa ankafizinareo izay atolotray. Dia aza avela ho very izany kosa e!

      Supprimer
  3. Tena misaotra an'Andriamanitra Lehibe amin'ny hira toy itony ary misaotra izay nampiditra, misaotra ny namorona, misaotra ny mpihira. Misaotra tompoko

    RépondreSupprimer
  4. Tsy voafetra ny piratage n'inona n'inona atao. Tsara ihany koa anefa ny famerenana io hira io ankehitriny kanefa, enga anie ka tsy hisy hanova toy ny namoronan'ny mpamorona azy ny fomba fihiràna sy fanaovana izany. Misaotra

    RépondreSupprimer
  5. tena tiko ka tena tiko io hira io, tamin'izaho mbola zaza dia io hira io no fahamatarako fa noely ny andro, izao efa ho retraite izao dia voamaika mampihetsim-po tanteraka ato amiko. misaotra e e e

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Ianareo no isaorana mankafy ny natolotray tompoko! Mirary Noely sambatra ary e!

      Supprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...