Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Ny tontolon'ny ankizy (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Raha ny tontolonay
Izao tontolo izao
Dia mino izahay
Fa ho sambatra ianao
Raha ny tontolonay
Izao tontolo izao
Anay ankizy izany
Hafa fa tsy toy izao

1. Mba renao ve izany hira
    Mba azonao ve izany antso izany
    Ny fahatsoram-pony ny ady tsisy intsony
    Izay no hanaovany ny tontolony
   

2. Ny lolom-po dia tsy mba ananany
    Ny famonoana tsy mba fantany
    Ny tanany mifandray, ny fo mitempo ho iray
    Izay no hirany, ka ventesiny


3. Mba renao ve izany hira
    Mba azonao ve izany antso izany
    Ny fahatsoram-pony ny ady tsisy intsony
    Izay no hanaovany ny tontolony

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...