Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Fitiavako ianao (Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.


Toa nofinofy ihany ny fotoana mamy
Nahitako anao
Mambabo ny fanahy toa nanintona ahy
Mba ho tia anao
Midoboka ny fo atao ahoana moa
No milaza izany anao
Ianao izay vahiny vao vetivety iny
No hifanomezan-tsiny
Saingy hatrizay dia nivaivay hafa taminao
Am-bolana, aman-taona
Mitempo anao, fitiavako ianao

Tsy fantatro mihitsy izaho tia anao
Ny fiainako tsy misy
Raha toa tsy misy anao
Tsy fantatro ny marina
Manadala toy izao
Tsy ilaiko ho fantarina
Izaho tia anao

Ny ora mikoriana, ny alina mangina
Izaho mitady anao
Ny ho avy tsy ho voafetra, ny ampitsoko rehetra
Efa lasanao
Raha toa tsy an-tsafidy, fa mafy sy mangidy
Ny ao ambadika ao
Raha sanatria izany, zakaiko hatrany hatrany
Ho hateza ny tomany

Nivavaka aho mazàna, hatrany am-piasana
Eny ho anao
Ny saiko tsy mirona, na inona hidona
Fitiavako ianao
Omeo fitiavana aho fa tiako ianao
Hizarao fitiavana aho
Lazao fitiavana, izaho tia anao
Hizarao fitiavana aho fa mamiko ianao
Fitiavako izao tontolo izao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...