Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Adinoy ny anarako(Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.


N'iza n'iza tsisy hilazako
Ho lazaiko an'iza nefa hoy ianao
Aoka ho ahy mangina ao am-poko ato
Ny ratran'ny fitia navelanao

Ny toera-mamintsika ho ahalala
Izaho no sisa no ho tonga ao
Ho tonga tsy hamangy anefa
Andalo dia hilefa
Veloma no hapetrako ao

Adinoy ny anarako
Adinoy ny amiko
Marina aho fa tia anao
Eny adala taminao
Nefa moa raha sitrakao
Ny andatsa ny amin'izany
Tsy maninona lazao
Nefa hoy aho adinoy ny fitiavako

Ny lalana hiverenako mangina
Ny zavaboary haolo avokoa
Mangaina ny hilaozan'olon-tiana
Mangaina nefa atao ahoana moa

Raha misy feoko mety ho renao
Aza mierikerika intsony
Ako sisa mantsy ireny
Nofinofy fa tsy teny
Ny lalanao no tanterao

Adinoy ny anarako
Adinoy ny amiko
Marina aho fa tia anao
Eny adala taminao
Nefa moa raha sitrakao
Ny andatsa ny amin'izany
Tsy maninona lazao
Nefa hoy aho adinoy ny fitiavako....

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...