Namana/Amis/Friends

jeudi 22 décembre 2011

Vavaka (Rossy)



Omeo anay ny saina tony
Ho entinay miatrika ady
F'ianao no Rainay ao ambony
Sy fanilonay mitady
Alaviro anay ny fo maloto
Fisedrana mahamay
Omeo anay ny fo mazoto
Tompo ô! zay no vavakay

Fa mihasarotra isan'ora anie ny iainanay ety
Mihaety, mihaety k'aza avelanao hania
O! ampio zahay tsy misy mpiantra
Ampio zahay,  zahay mahantra
Sakaizam-ponja sy ny gadra
Tomany sy midradradradra

Omeo anay ny saina tony
Ho entinay hanompo Anao
Fa mbola maro ny demony
Rakotr'ota izao tontolo izao
E! ady etsy sy eroa
Ka tsy hampionokantsoa
Fa mbola maro anie ny fery
Sy ny herisetran'ny mahery

Tompo ô!zay no vavakay

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...