Namana/Amis/Friends

jeudi 19 janvier 2012

Nanjohy iny lalana iny (Amboara katolika)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Amboara Katolika

1. Nanjohy iny lalana iny izahay noho ny anaranao, Jesoa Kristy.
 Nitety ny tendrombohitra sy lohasaha, hitory ny anaranao, Jesoa Kristy.
Misy fiangonananao any ho any, zara raha hoe mijoro, Jesoa Kristy.
Efa an-taona maro izy zao, mangetaheta Anao, Jesoa Kristy.

 Jesoa Kristy...'Zay moa no anaranao, anaram-pamonjena
 Lova navelanao hanerana ny tany Ivelomanay, Jesoa Kristy
O  Jesoa Kristy... Mangetaheta anao, 'zao taninay izao.
Ny voa nafafinao manerana ny tany Aza avela ho sina, Jesoa Kristy
Jesoa Kristy

 2. Nahita ny tanimbary izahay, triatra fa karakaina, Jesoa Kristy.
 Dia nifanotany hoe : mandra-pahoviana vao hiakatra ny mpijinja, Jesoa Kristy ?
Moa va tsy toy izany ireo zandrinao miandry famonjena, Jesoa Kristy ?
Ao am-piangonana ao izy izao miantso ny anaranao, Jesoa Kristy ?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...