Namana/Amis/Friends

mercredi 29 février 2012

Ao ny lanitra tsara tokoa 684

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Ao ny lanitra tsara tokoa
Izay fonenana mandrakizay
Tany be hasambarana koa
Ao isika hihaona indray

Ref:
Mifalia, mihobia
Fa ao isika mihaona indray

2. Ao ny lova izay mamin'ny fo
Sy fiainana mandrakizay
Voninahitra tsy mba ho lo
Ao isika hihaona indray

3. Ao ny Ray loharanon'ny soa
Hovantanina rahatrizay
Izay hampiditra hoe "mandrosoa"
Ao isika hihaona indray

4. Ao ny Zanaka be indrafo
Izay nijaly taty fahizay
Nefa tsy mba nahita ny lo
Fa efa velona mandrakizay

5. Ny Fanahin'ny Ray ao tokoa
Izay mitarika antsika izao
Sy mananatra antsika ho soa
No mitondra antsika hankao

6. Matokia, miravoa, mifalia
Fa azontsika ny lapan'ny Ray
Miderà, mihirà, mihobia
Fiadanana mandrakizay
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...