Namana/Amis/Friends

mercredi 29 février 2012

He tonga ho antsika 45

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. He, tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo
Mpamonjy, havantsika,
Ilay mamindra fo
Andeha mba hifaly
Isika ry zareo
Nahazo Mpampifaly,
Ka manandrata feo!

2. Hajao ny Tompontsika
Mpanjaka lehibe,
Andriamanintsika,
Mpanala rofy be;
Avia mba hidera,
Ry mino tsara fo!
Avia manatera
Ny saotra ao am-po,

3. Ry Tompo, Zanahary!
Mihira izahay,
Fa teny mahafaly
No tonga ho anay;
Ny andro famonjena
No andro sitrakay;
Fanahy manatena
No ifalianay.

4. Ry Tomponay! Mandraisa
Ny haja entinay;
Tsy volamena anefa,
fa saotra aterinay;
Ry Jeso Tompo soa!
Isaoranay Hianao,
Fa lehibe tokoa
Ny fitiavanao.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...