Namana/Amis/Friends

jeudi 16 février 2012

Misy toerana mamin'ny foko( Fihirana 209, Imprimerie Adventise)



Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Misy toerana mamin'ny foko
Tsy hohadinoiko mandrakizay
Fiangonana soa ka koloiko
Tsy hafoiko fa tranon'ny Ray

Ref
Koa andeha re ho ao ianao
Hasaiko ianao mba handroso
Hamangy ny fiangonanay

2. Raha sehatra ny ady mafy
Ny fiainana diavinay
Ttsy manahy fa Jeso manafy
Hery vaovao ny fiangonanay

3. Fitiavan'ny mpirahalahy
Fifalian'ny fanaovan-tsoa
Vali-bavaka omen'ny Fanahy
Samy hitanay ao avokoa

4. Tsy ho ela izahay dia hifindra
Fa ho avy Ilay Tomponay
Ka halaza sy tena hirindra
Fa voavonjy ny fiangonanay

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...