Namana/Amis/Friends

mercredi 8 février 2012

Te hiverina aho (Fafah)



Tsy nampoiziko intsony ny hahita anao
Miramirana sy tony kanto toa izao
Ela ery ianao izany, inona ny vaovao
Tsy niova mihitsy ianao fa toy ny fahiny

 Mba manao ahoana ary izao ny fiainanao
 Mino mihitsy aho fa efa mahafinaritra
 Ny ahy moa dia tsy mbola niova, fantatrao ihany
 Mirenireny eny aho tsisy fiafarany.

(Ref)
Izaho ilay bandy mpananihany anao foana
Izaho ilay bandy mpandiso lava ny fotoana
Zay natao matetika
Izaho ilay bandy mpampitomany anao foana
Izaho ilay bandy nandao tsy fantatro hoe nahoana
Fa izaho te hiverina
Nefa ianao efa sambatra
Tsy ho hita antsoina
Tsy ho hita antsoina

Tena faly be mihitsy aho mahita anao
Fa izay any am-ponao any no tsy fantatro
Fa maninona ianao sa mba mahatsiaro
Ianao mitsiky sy manganohano Eny tonga ny fotoana dia lasa nandao Ora maro no efa lany zaho mitady anao Efa fantatro fa efa tara ankehitriny Ka ny sisa atao dia ny manadino

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...