Namana/Amis/Friends

mercredi 25 avril 2012

Ankalazaina (Kelly Rajerison)


Ankalazaina ny andro anio mba ho fahatsiarovana anao
Loharanon’ny fiainana ianao no itarainana
Ankalazaina ao am-poko ao amin’ny fomba tsotra sy madio
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao


Fa raha ny feonao no nandrotsirotsy ka nahitako tory fahizay
Ny tratranao no bodofotsy niaro hafanana ho ahy
Fa ianao no herin’ny fitiavana nandrandraiko hatramin’izay
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao.


Fahatsiarovana ihany izany
Tsy ho arahin’alahelo na tomany
Ankalazaiko am-poko ao
Ho ahy mangina ny fahatsiarovako anao
Amin’ny andro iray toy izao, toy izao.

Fa raha ny feonao no nandrotsirotsy ka nahitako tory fahizay
Ny tratranao no bodofotsy niaro hafanàna ho ahy
Fa ianao no herin’ny fitiavana nandrandraiko hatramin’izay
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao.


Fahatsiarovana ihany izany
Tsy ho arahin’alahelo na tomany
Ankalazaiko am-poko ao
Ho ahy mangina ny fahatsiarovako anao
Amin’ny andro iray toy izao, toy izao.


Ankalazaina ny andro anio mba ho fahatsiarovana anao
Loharanon’ny fiainana ianao no itarainana
Ankalazaina ao am-poko ao amin’ny fomba tsotra sy madio
Ka raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao
Ho anao

2 commentaires:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...