Namana/Amis/Friends

vendredi 18 mai 2012

Eto am-pitandrano (Mahasina Lalatsangy)


Eto ampitandrano eto aho
No mibanjina mangina ao an-tsaina
Ao am-poko lalina ao mahatsiaro anao ry tiana
O ry tiana, malahelo anao lalaina

Ao am-poko lalina ao tsy mety maty
Tsy mety maty na oviana na oviana
Nefa mila tsy hahatanty tsy hahatanty
Ny nofinofy anao ry tiana ô


Eto ampitandrano eto aho
No mibanjina mangina ao an-tsaina
Ao am-poko lalina ao mahatsiaro anao ry tiana
O ry tiana, malahelo anao lalaina


Zany endrikao ô ry tiana
Soa raitra mahasondriana, tiako loatra
Eny tiako tsotra izao fa tsy lefy
Tsara voatra eny, tena tiako, tiako loatra


Ao am-poko lalina ao tsy mety maty
Tsy mety maty na oviana na oviana
Nefa mila tsy hahatanty tsy hahatanty
Ny nofinofy anao ry tiana ô


Zany endrikao ô ry tiana
Soa raitra mahasondriana, tiako loatra
Eny tiako tsotra izao fa tsy lefy
Tsara voatra eny, tena tiako, tiako loatra

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...