Namana/Amis/Friends

jeudi 17 mai 2012

Mpiandry ondry sambatra (Rambao)


Mahavariana loatra ny mahita ireo tanora ô
Miasa nefa tsy voafetran'ny ora
Mikaroka no hery toa miray tsiambaratelo
Masoandro maty no mampalahelo

Tsy mba manam-bola firy kosa izy ireny ô
Nefa koa tsy hoe mirenireny
Fa miaina an-kalalahana toa anao izao ihany
Saingy izao re no anjarany eto an-tany

Niezaka  ihany nefa tsy nahomby
Tsy iza izany f'ireo mpiandry omby
Tsy kivy anefa fa mbola nametraka tantara
Ireo tononkalo sy ny feon-gitara

Tsy mba manam-bola nefa koa tsy mitaraina ô
Izany hono no tarigetra ilaina
Rehefa anjara ihany re ka atao ahoana moa
Mipetraka mangina rehefa voa


Tsy mba manam-bola nefa koa tsy mitaraina ô
Izany hono no tarigetra ilaina
Rehefa anjara ihany re ka atao ahoana moa
Mipetraka mangina rehefa voa


Niezaka  ihany nefa tsy nahomby
Tsy iza izany f'ireo mpiandry omby
Tsy kivy anefa fa mbola nametraka tantara
Ireo tononkalo sy ny feon-gitara

Kalokalo lava, ravoravo tsikitsiky ô
Sakaizan'ireo mandram-pikimpy
Zany no nataony siny iray mitambatra
Dia ireo mpiandry omby sambatra

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...