Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Amoron-drano (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Eny amoron-drano eny
Zava-maro no miseho
Tantaraiko anareo

Fa tovovavy maromaro
No indreo mifangaro
Mikotaba mihomehy

Mitondra lamba hosasana hono hoe
Mitady toerana hihaonana e
Sady mikosoka no mihomehy
Mahafinaritra ny miresaka
Sady manadio ireo lamba maro
Ao anaty rano

Fa nony kelikely avy eo
Dia injany misy feo
Miantsoantso azy ireo

Iny lakankely iray
Feno tovolahy izay
Mikopa-tànana azy ireo

Dia manopy maso ireo zavavy
Mitady hahafantatra ireo mpiavy
Faly sahirana no tezitra
"Mahatsiravina, fa mananihany"
Nefa ny ao am-po toa faly ery
Mody tsy mijery fa mahina

Tontolo andro eny ihany
Sady manasa no mifananihany
Fa na dia reraka aza ny hariva
Falifaly sady mihirahira
Velon-tsiky na dia lavi-podiana
Miramirana


Tontolo andro eny ihany
Sady manasa no mifananihany
Fa na dia reraka aza ny hariva
Falifaly sady mihirahira
Velon-tsiky na dia lavi-podiana
Miramirana

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...