Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Avelao any ny taloha (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Avelao any
Avelao any ny taloha
Adinoy any
Adinoy any tsy hifoha
Raha ny lasa ô
Raha ny lasa no nania
Ao ny ampitso
Ao ny ampitso mirana

Ho ela ihany izany mbola hiainana
Ho lava ihany ny lalana ho diavina
Omeo ahy ny tananao
Avy tantano aho

Mety ho mafy
Mafy ny ady piainana
Tsy maintsy misy
Misy ny andro mierika
Na izany aza
Avelao any ny taloha
Na izany aza
Adinoy any tsy hifoha

Ho ela ihany izany mbola hihainana
Ho lava ihany ny lalana ho diavina
Omeo ahy ny tananao
Avy tantano ahy
La la la la...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...