Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Ho an'iza ny masoandro? (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Misy feo manontany nivoaka tamin'ny vava maro:
"Hoan'iza ny masoandro?"
Fa toa haizina hatrany fahoriana mifangaro
No hiainana isan'andro
Rofiroy, hanoanana, ranomaso, fahantrana...
Tsy ho antsika anamba ny masoandro

Izaho sy ianao, tsy natao hifoha mba hitaraina
Nomena ahy sy ianao, tanana sy loha afaka ampiasaina

Sento lava tsy hahamaivana ny entanao
Ranomaso, tsy ahafaka ny fahorianao,
Ny masoandro hitondra hafanana
Ho an’izay mahay mandray azy…
Manantenà fa hisava ny lanitra


Sento lava tsy hahamaivana ny entanao
Ranomaso, tsy ahafaka ny fahorianao,
Ny masoandro hitondra hazavana
Ho an’izay mahay mandray azy…

Ho an’izay mahay mandray azy…
Manantenà… Mbola ho avy ny maraina…

Manantenà..., mihirà...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...