Namana/Amis/Friends

mardi 7 juillet 2015

FF 43 – Aiza moa ianao ?

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Jesosy Tompo miantso anao
Manontany izao : “Aiza moa ianao?”
 Ny ondrikeliko noana indreo
Miandry anao re ireo “Aiza moa ianao ?”

 Fiv : ‘Ty aho, Jeso, (ekeo mba) ho irakao
Raiso hanao ny sitrakao tokoa
 Jesosy ô ! (omeko) mba ho Anao
 Ny foko, tenako sy fanahiko

 2. E! làlan-tsarotra ilàna anao
Ady mafy no ao : “Aiza moa ianao ?”
 Reseonao’zao tontolo izao
Mba ho Ahy re izao “Aiza moa ianao ?”

‘Ty aho, Jeso, sns…

 3. Ny hery, aina sy fanananao
No ilaiko izao : “Aiza moa ianao”
Ny tenanao sy ny fanahinao
No takiako izao “Aiza moa ianao” ?

 ‘Ty aho, Jeso, sns…

 4. Ny sandriko no hiaro anao
 Hisakambina anao “Aiza moa ianao ?”
Raha ny Fanahy no hitantana anao
Vonona ve ianao ? “Aiza moa ianao ?”

 ‘Ty aho, Jeso, sns…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...