Namana/Amis/Friends

mardi 7 juillet 2015

FF 47 – Fiadanana

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Ianao ‘zay mitady ny fiadanan-tsoa
Amin’izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
Mikorana ary koa milalao
 Kanefa tsy mahita izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy Fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao

 Fiv : Jesosy, Jesosy, (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
 No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
 Jesosy, Jesosy, (Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia hohitanao’Lay Fiadanana
Haharitra ho mandrakizay

 2. Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
Amin’izao fiainana izao
 Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
No mandrakotra ny fiainanao
 Ka mila ho kivy sy hamoy fo
 Noho ‘reo adim-piainana maro
Inty misy fiainana atoroko anao

Andramo dia hohitanao Jesosy, Jesosy, sns…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...