Namana/Amis/Friends

mardi 21 juin 2016

Hiaraka Aminy (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!


Tonony: RAJAOBELINA Hery-Zo (1991)
Feony: RAKOTOARIMALALA RajaonaRivony (Rivo Kely) (1991)

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Tsy hitako intsony izay teny hilazana izao
Ny hafaliana ao anaty foko ao
Satria inoako fa natolony ahy ny fitiavany
Izaho noraisiny ho havany

Tsy hitako intsony izay teny hilazana izao
Ny hafaliana ao anaty foko ao
Satria inoako fa natolony ahy ny fitiavany
Izaho noraisiny ho havany

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Tsy hiala eo intsony aho sanatria
Fa hiaraka Aminy mandrakizay doria
Ka n'aiza n'aiza misy Azy dia hisy ahy koa
Fantatro f'izay no mahasoa

Tsy hiala eo intsony aho sanatria
Fa hiaraka Aminy mandrakizay doria
Ka n'aiza n'aiza misy Azy dia hisy ahy koa
Fantatro f'izay no mahasoa

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny

Raiso mba ho Anao
Ny tsantan’ny foko izao
Hankalazana sy ho fiderana Anao
Ny hafa ihany koa, ny vatana sy ny fo
Ny saina sy fanahy afoiko avokoa


Raiso mba ho Anao
Ny tsantan’ny foko izao
Hankalazana sy ho fiderana Anao
Ny hafa ihany koa, ny vatana sy ny fo
Ny saina sy fanahy afoiko avokoa

Ravo ny foko e! Diboka hafaliana
Faly ny saiko fa tojo izay niriana
Izaho zay mpanota no nantsoiny
Hiaraka Aminy
Efa nekeny ho isan'ny ondriny (3)
Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...