Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Chants pour les fêtes des mères. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Chants pour les fêtes des mères. Afficher tous les articles

vendredi 11 avril 2014

Pour ta fête jolie maman (Poème pour la fête des mères)

Pour ta fête jolie maman,
Bien que je n'aie pas d'argent,
En guise de cadeau, mon cœur,
Te souhaite joie et bonheur

Merci Bon Dieu de m’avoir donné
Cet être précieux pour me soigner
A Toi la gloire, l’adoration,
Et que Ta Paix comble maman

Bonne fête maman

jeudi 23 mai 2013

Vavaka ho anao ry neny (Ramy Franck)


Sambatra  izaho ry neny eo anilanao, ry neniko
Ravo ka mihoby vavaka, mihira ho anao
Tsy vola mora tola no asetriko ho an'izany, ry neniko
 Fa vavaka an'ny zaza mitalaho ny "arovy eto an tany"

 Izao no andro sarobidy e
 Daty iray, sy ora voafidy ô
 Indrisy izaho mbola bado e
 Mibadabada hoe dada o, neny
 Ianao kosa toa raha amin'ireny
 Raha tomany dia indry
 Babenao neny o,
 Vavaka ho anao

 Koa raiso ry Neny, f'efa solon-taiza ireny, ry neniko
 Ny zavatra iriako, alefao ny tso-dranonao ry Neny
 Jereo iny diavolam-pararano, sy ny kintana ireny, ry neniko
 Mitaratra mazava, mitahy anao e, ry Neny


 Izao no andro sarobidy e
 Daty iray, sy ora voafidy ô
 Indrisy izaho mbola bado e
 Mibadabada hoe dada o, neny
 Ianao kosa toa raha amin'ireny
 Raha tomany dia indry
 Babenao neny o,
 Vavaka ho anao
 Vavaka ho anao
 Vavaka ho anao
...

mardi 29 mai 2012

Neny ô(Los Matadorès), Ma petite maman(Alice Lachaud)


Neny ô

Neny malala ô
Nandao ilay ray tsy foy
Izaho sy ianao no hany
Mizaka irery izany

Foano ny ranomaso
Sy ny alahelo am-po
Jereo aho ka andraso
Sao ilaozanao koa !

Hoy i dada tamin'izay
Any ilay fiainana iray
Feno fiadanan-tsaina
Sy fiononam-po

Ho avy ilay andro iray
Hihaonantsika indray
Ankoatr'izao hita izao
Ilay fianam-baovao

Neny ô! neny ô!
Ianao no fiainako
Aza ilaozanao
Ny foko tia anao
Neny ô! neny ô!
Ianao no fiainako
Aza ilaozanao
Ny foko tia anao

Neny ô! Neny ô!
Ianao no fiainako
Ho potika sy lao
Ny amiko tontolo
Raha tsy eo anilanao
Ry neny tsy voasolo
Neny ô! Neny ô!
Ianao no fiainako
Hikolokolo hatrany
Ny fahanteranao
Ny fiadanako eto an-tany
Natokako ho anao

Neny ô! neny ô!
Ianao no fiainako
Aza ilaozanao
Ny foko tia anao
Neny ô! neny ô!
Ianao no fiainako
Aza ilaozanao
Ny foko tia anao

Ho potika sy lao
Ny amiko tontolo
Raha tsy eo anilanao
Ry neny tsy voasolo
Hikolokolo hatrany
Ny fahanteranao
Ny fiadanako eto an-tany
Natokako ho anao

Neny ô! neny ô!
Ianao no fiainako
Aza ilaozanao
Ny foko tia anao
Neny ô! neny ô!
Ianao no fiainako
Aza ilaozanao
Ny foko tia anao
Ny foko tia anao
Ma petite Maman
Ma petite maman
Papa nous a quittées
Nous ne sommes plus que deux
Cela est malheureux

Ne pleure plus chère maman
Cesse d'être si triste
J'ai trop de peine pour toi
J'ai peur que tu me quittes

Avant de nous laisser
Papa nous a bien dit
"la vie pour moi commence
pour toute l'éternité"

Un jour pour vous aussi
Le grand voyage viendra
A nouveau réunis
Pour une nouvelle vie

Maman! Maman!
Ma vie ma vie c'est toi
Reste tout près de moi
Je t'aime tant maman
Maman! Maman!

Ma vie ma vie c'est toi
Reste tout près de moi
Je t'aime tant maman

Maman! Maman!
Ne me quittes pas
Reste tout près de moi
Je ne pourrai plus vivre sans toi
Caresser tes cheveux blancs
Te serrer sur mon coeur
C'est ma plus grande joie
C'est mon plus grand bonheur
Maman, ne me quittes pas
Ma vie, ma vie c'est toi
Je t'aime tant maman


Maman! Maman!
Ma vie ma vie c'est toi
Reste tout près de moi
Je t'aime tant maman
Maman! Maman!
Ma vie ma vie c'est toi
Reste tout près de moi
Je t'aime tant maman

Non, ne me quittes pas
Ma petite maman
Je ne pourrai plus vivre,
Plus vivre sans toi
Caresser tes cheveux blancs
Te serrer sur mon coeur
C'est ma plus grande joie
C'est mon plus grand bonheur

Maman! Maman!
Ma vie ma vie c'est toi
Reste tout près de moi
Je t'aime tant maman
Maman! Maman!
Ma vie ma vie c'est toi
Reste tout près de moi
Je t'aime tant maman
Je t'aime tant maman


mercredi 25 avril 2012

Ankalazaina (Kelly Rajerison)


Ankalazaina ny andro anio mba ho fahatsiarovana anao
Loharanon’ny fiainana ianao no itarainana
Ankalazaina ao am-poko ao amin’ny fomba tsotra sy madio
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao


Fa raha ny feonao no nandrotsirotsy ka nahitako tory fahizay
Ny tratranao no bodofotsy niaro hafanana ho ahy
Fa ianao no herin’ny fitiavana nandrandraiko hatramin’izay
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao.


Fahatsiarovana ihany izany
Tsy ho arahin’alahelo na tomany
Ankalazaiko am-poko ao
Ho ahy mangina ny fahatsiarovako anao
Amin’ny andro iray toy izao, toy izao.

Fa raha ny feonao no nandrotsirotsy ka nahitako tory fahizay
Ny tratranao no bodofotsy niaro hafanàna ho ahy
Fa ianao no herin’ny fitiavana nandrandraiko hatramin’izay
Raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao.


Fahatsiarovana ihany izany
Tsy ho arahin’alahelo na tomany
Ankalazaiko am-poko ao
Ho ahy mangina ny fahatsiarovako anao
Amin’ny andro iray toy izao, toy izao.


Ankalazaina ny andro anio mba ho fahatsiarovana anao
Loharanon’ny fiainana ianao no itarainana
Ankalazaina ao am-poko ao amin’ny fomba tsotra sy madio
Ka raiso re ny hira tsara indrindra atolotro anao
Ho anao

dimanche 25 mars 2012

Ry neny (Jovial)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jovial.

Ry neny ô, aiza  re no misy anao
Tongava aty eto anilako izao

Fa mijaly loatra re ity zanakao
Aiza ianao ry neny ô!
Tomany lava izao mitady mafy anao
Tongava re ianao
Ry neny tiako

Ela izay no nandazanao ahy
Ory ny fo, mahantra ny fanahy


Fa mijaly loatra re ity zanakao
Aiza ianao ry neny ô!
Tomany lava izao mitady mafy anao
Tongava re ianao
Ry neny tiako


Ry neny ô, aiza  re no misy anao
Tongava aty eto anilako izao

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...